𝗘𝗵! 𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼!
Retour aux actualités
Environnement 15 septembre 2026

𝗘𝗵! 𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗼𝘁𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼!

Hipaka eny anivon'ny Fokontany manombok'izao ny fampiharana ny Code Municipale d'hygiène na Fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana. Androany dia nisy ny fahampafantarana ho an'ireo sefom-pokontany  momba ny Code Municipal d’Hygiène na Fehezam-pitsipika mifehy ny fahadiovana izay fitambaran’ireo fitsipika napetraky ny Kaominina mba hiantohana ny fahadiovana, ny fahasalamam-bahoaka, ny filaminana ary ny fanatsarana ny tontolo iainana ao anatin'ny fokontany.
 Nahoana no ilaina ny fanajana ny CMH?

 Ho an’ny tanàna madio sy milamin Hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.

 Hiadiana amin’ny fanariana fako amin’ny toerana tsy tokony hanariana azy.

Hiarovana ny lakandrano sy ny lalan-drano.

Hisorohana ny fahalotoan’ny toerana ho an’ny daholobe.

Hampandraisana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fahadiovan’ny tanàna.

Ny fahadiovan’i Toamasina dia andraikintsika rehetra. Koa andao isika samy hanaja ny Code Municipal d’Hygiène, tsy noho ny tahotra sazy ihany, fa noho ny fitiavana ny tanànantsika sy ny fahasalamantsika.