COURS INTENSIF GRATUIT
Nanome tso-drano sy nirarisoa ireo mpianatra niatrika ny COURS INTENSIF GRATUIT BEPC izay nokarakarain'ny Commune Urbaine Toamasina ny Ben'ny tananan'i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa androany. Tafiditra ao anatin’ny vinan'asa andriamatoa Ben'ny tanana ny fanohanana ireo mpianatra manao fanadinam-panjakana amin'ny alalan' ny COURS INTENSIF.

Ny Commune Urbaine Toamasina dia mirary soa sy fahombiazana hatrany hoan'ireo mpianatra izay hanala fanadinam-panjakana amin'ny Alatsinainy ho avy izao.
"𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮".