Retour aux actualités
Travaux
26 septembre 2026
Efa vita ary azo ampiasaina ny ampahan-dalana beton manomboka eo amin’ny Hôtel Marotia Tanambao V izay mivoaka eny Ambolomadinika, anisan’ireo asa fanamboaran-dalana tanterahin’ny Commune Urbaine Toamasina iarahana miasa amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy
Nijery ity lalana béton ity ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa ary nanamafy fa hotohizana hatrany ny fanarenana ireo lalana simba eto an-tampon-tanàna ary hatao laharam-pahamehana amin’izany ireo lalana be mpampiasa sy be mpivezivezy mba hanatsarana ny fifamoivoizana eto an-toerana sy ny tombotsoan'ny vahoaka. Hotohizana ihany koa ny fanamboarana ity lalana ity izay manomboka eo amin’ny Marotia Tanambao V ary hivoaka eny amin'ny Fenosoava.
