Fanokafana ny laza adina ho an'ny Faritra atsinanana tamin'ity fanadinampanjakana BEPC
Retour aux actualités
Éducation 06 juillet 2026

Fanokafana ny laza adina ho an'ny Faritra atsinanana tamin'ity fanadinampanjakana BEPC

Teto amin'ny Collège Saint Joseph de Cluny Tanamakoa no nanombohana ny Fanokafana ny laza adina ho an'ny Faritra atsinanana tamin'ity fanadinampanjakana BEPC ity. Miisa 18352 ny mpiadina ato anatin'ny DREN Atsinanana raha miisa 6292 ny teto amin'ny Distrikan'ny Toamasina ary 36 taona ny zokiny indrindra raha 10 taona kosa ny zandriny indrindra.
Nanotrona ny  fanombohana tamin'ny fomba ofisialy teto ireo tomponandraikitra  eto an-toerana izay notarihin'ny Lehiben'ny Fileovan'i Toamasina  Lehiben'ny Faritra Atsinanana, ny Lehiben'ny Distrika Toamasina II, ny  Ben'ny Tananàn'i Toamasina Andriamatoa Alain Andriafanomezantsoa, Ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Atsinanana , ny Talemparitry ny filaminam-bahoaka atsinana sy ny CIRGN Toamasina.

Ny Commune Urbaine Toamasina dia mirary soa sy fahombiazana ho an'ireo mpianatra rehetra miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manomboka androany.