Fitokanana ny trano vaovao BIANCO Toamasina sy ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin'ny Kolikoly.
Ho fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin'ny Kolikoly (JALCC) 2026, izay ankalazaina isan-taona isaky ny 11 Jolay dia noho ny fandraisana andraikitry ny Vondrona Afrikanina (Union Africaine), dia lanonana roa sosona lehibe no natao teto Toamasina androany dia ny ny Fitokanana ny trano vaovao BIANCO Toamasina sy ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin'ny Kolikoly.
Manamafy ny BIANCO amin'ny fandraisana andraikitry ny rehetra ny ady amin'ny kolikoly. Ny fampiroboroboana ny fahitsiana, ny etika ary ny tamberin'andraikitra dia antoky ny fanamafisana ny fitokisan'ny olom-pirenena ny andrim-panjakana, sady manampy amin'ny fampandrosoana maharitra, ahitana ny fandraisan'anjaran'ny rehetra ary mifototra amin'ny rariny sy ny hitsiny. Ity lanonana ity dia teo ambany fiahiana an' Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Madagasikara sy Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta ary notronin'ireo olomboafidy sy olomboatendry ato anatin'ny faritanin'ny Toamasina.