FIZARANA FITAOVANA
▶️ Anisan'ireo nisedra olana taorian'ny fandalovan'ny Rivodoza GEZANI ireo onjam-peo miasa eto an-tapotananan'i Toamasina. Betsaka amin'ireo fitaovan-tserasera no simba ary misy amin'ireo onjam-peo mbola tsy niarina noho ny fahavoazana misy ao anatin'ny toeram-piasana. Namaly ny antso nataon'ireo Mpanao gazety ny ONG Studio Sifaka miaraka amin'ny fanohanan'ny UNESCO tamin'ny alalan'ny tetik'asa "MIATRIKA".
▶️ Onjam-peo miisa 14 miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana eto an-tapotananan'i Toamasina no nisitraka fitaovan-tserasera ary nisy ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao ireo Mpanao Gazety ary notolorana taratasy fanamarinana ireo izay nandray anjara tamin’ny fiofanana Araka ny loha-hevitra ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ary ny asa fanaovan-gazety momba ny tontolo iainana sy ny maha-olona.
#22Juin2026