Retour aux actualités
Général
13 juillet 2026
Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître RAZAFIMANANTSOA Hanitra sy ireo tomponandraikitra eto an-toerana.
Napetraka tamin'ny fomba ofisialy androany tao amin'ny Lapan'ny Faritra atsinanana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atsinanana, Ramatoa RASOANAMARY Voizy Blandine sy ny Talem-patitra Misahana ny Fanavaozana Analanjirofo, Ramatoa ANDRIANANDRAINA Aldine. Nanome voninahitra ity lanonana ity ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître RAZAFIMANANTSOA Hanitra sy ireo tomponandraikitra eto an-toerana.
Ny Commune Urbaine Toamasina dia vonona ny hiara-hiasa amin'ny lafiny rehetra sy izay azo ifanampiana mba ahafahana mampandroso sy mitondra fanavaozana ho an'ity tananantsika ity.