Nandritran'ny fitsidihana ny asa fanamboaran-dalana mampitohy ny fokontany Tanambao V sy fokontany Ambolomadinika izay nataon'ny Ben'ny tanana Alain Andriafanomezantsoa dia nihaino mivantana ny fangatahana sy ny hetahetan’ireo mponina teny an-toerana izy.
Retour aux actualités
Général 26 septembre 2026

Nandritran'ny fitsidihana ny asa fanamboaran-dalana mampitohy ny fokontany Tanambao V sy fokontany Ambolomadinika izay nataon'ny Ben'ny tanana Alain Andriafanomezantsoa dia nihaino mivantana ny fangatahana sy ny hetahetan’ireo mponina teny an-toerana izy.

 Arak' izany dia hisy ny fanatsarana ny toerana filalaovana ho an’ny tanora dia fanamboarana terrain de basket-ball sy football eo amin’ilay toerana nisy dobo teo aloha. Homena baolina basket sy baolina kitra ireo tanora mba hampiroboroboana ny fanatanjahantena. Hisy ihany koa ny fametrahana jiro hanazava ny toerana eny amin'ny fokontany. Ary tsy adinony ny fanolorana vatsy ho an’ireo Ray aman-dreny izay nifanena taminy teny an-dalana.