Niditra dingana vaovao ny Commune Urbaine Toamasina sy ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly Toamasina (BIANCO) amin'ny fiaraha-mientana ho an'ny fitantanana tsara sy ny fisorohana ny kolikoly.
Androany no nanatanterahana ny fifanarahana fiaraha-miasa teo amin'ny andrim-panjakana roa tonta, na dia efa manao ezaka lehibe aza ny kaominina miady amin'ny kolikoly dia efa fantatra ihany koa ireo sampan-draharaha anjakan'ny kolikoly izay efa andraisana fepetra.
Ny tanjon'ity fifanarahana ity dia ny hanampy ny ezaka ataon'ny Kaominina ambonivohitry Toamasina amin'ny fampidirana maharitra ny fepetra fisorohana ny kolikoly anatin'ny fomba fiasa, indrindra amin'ny alalan'ny fanamafisana ny fiarovana ny vola miditra sy mivoaka mifandraika amin'ny fampiasana ny tambin-ketra harena an-kibon'ny tany avy amin' Ambatovy.
Anisany zava-dehibe amin'ity fifanarahana ity ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso anatiny, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny asa ara-bola, ary ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanentanana ny mpisehatra rehetra eo anivon'ny kaominina.
Ity fifanarahana ity dia manankery mandritra ny roa taona ary azo havaozina raha misy fifanarahana iombonana.
Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity ny Ben'ny tananan'i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa sy ny Bianco Madagascar - page, soloin'ny Talen'ny Fitaleavam-paritra Toamasina Andriamatoa Aina ANDRIAMAHENISOA sy ny mpiara-miasa aminy sy ireo tomponandraikitra eto anivon'ny Kaominina.
Miara-miasa ho an'ny fitantanana kaominaly mahomby sy mangaraharaha.