Retour aux actualités
Général 03 août 2026

Nisehoana hain-trano tao amin'ny tsenan'ny Bazar kely Toamasina

Nisehoana hain-trano tao amin'ny tsenan'ny Bazar kely Toamasina ny alin'ny Alahady faha 02 Aogositra 2026, Raha ny fantatra dia tamin'ny 10 ora sy 40 minitra alina (22h40) tany ho any no nanomboka nirehitra ny afo.

Manoloana izao voina izao ny Commune Urbaine Toamasina izay tarihin'ny Ben'ny Tanàna Alain Andriafanomezantsoa dia maneho ny fiaraha-miory sy mankahery ireo mpivarotra sy fianakaviana rehetra niharam-boina tamin'ny hain-trano nahazo ny Bazar Kely ambony sy Bazar Kely ambany.