Notanterahina teto amin'ny PACT ( Port Academy Center Toamasina) ny dinika nasionaly momba ny LITCHIS sy ny fanondranana azy izay notarihin'ny filohan'ny GEL na GROUPEMENT DES EXPORTATEUR DE LITCHIS Andriamatoa Roland Ratsiraka izay sady Solombavambahoaka
Retour aux actualités
Environnement 25 septembre 2026

Notanterahina teto amin'ny PACT ( Port Academy Center Toamasina) ny dinika nasionaly momba ny LITCHIS sy ny fanondranana azy izay notarihin'ny filohan'ny GEL na GROUPEMENT DES EXPORTATEUR DE LITCHIS Andriamatoa Roland Ratsiraka izay sady Solombavambahoaka

Manana ny maha izy azy tokoa ny sehatra litchis raha eto amintsika Madagasikara no resahana satria isika no mpanondrana vokatra litchis betsaka indrindra maneran-tany ary mankany Europe no tena betsaka amin'ireo vokatra. Tonga nanome voninahitra sy nanokatra ity lanonana ity ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Ramatoa Haingotiana ANDRIAMADISON izay notronin'ireo Solotenam-panjakana eto an-toerana, ireo mpandraharaha rehetra misehatra amin'izany manomboka amin'ny tantsaha, ny mpanondrana sy ireo mpanafatra ary indrindra ireo mpampiasa vola.
▶️ Na dia teo aza ny fandalovan'ny Rivodoza GEZANI dia azo antoka hatrany ny habetsahan'ny vokatra amin'ity taona ity ary izay indrindra no maha sarotiny ny GEL amin'ny fanaraha-maso ny kalitao sy fanarahana ireo fenitra rehetra takiana amin'ny famokarana sy fanondranana ny vokatra litchis.