Notoloran'ny Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures  Lampadaire miisa 500 entina hanazavana ny tanàna ny Commune Urbaine Toamasina, ny Ben'ny tananan'i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa no nandray izany.
Retour aux actualités
Général 10 juillet 2026

Notoloran'ny Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures Lampadaire miisa 500 entina hanazavana ny tanàna ny Commune Urbaine Toamasina, ny Ben'ny tananan'i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa no nandray izany.

Ny fiantoana ny famatsiana angovo sy hazavana dia antoka lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena sy fanatsarana ny faripiainana isan-tokantrano. Notoloran'ny Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures  Lampadaire miisa 500 entina hanazavana ny tanàna ny Commune Urbaine Toamasina, ny Ben'ny tananan'i Toamasina Alain Andriafanomezantsoa no nandray izany. Ankoatr'izany dia nisitraka fitaovana vaovao entina hanarenana sy hanatsarana ny famatsiana angovo ny eto an-tapotananan'i Toamasina toy:

- Groupe électrogène miisa 2 avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'ny Madagasikara manokana.

- Groupe électrogène miisa 9

- Transformateur 

- CABLE 25km

- CABLE 70km izay efa eo am-pitaterana ho aty Toamasina.

Nankasitraka ny Filohan'ny fanavaozana ny Répoblika Madagasikara ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA ny Ben'ny tanana amin'ny fitsinjovana hatrany ny vahoakan'ny Toamasina mba ahafahana manarina aingana ny lafiny famatsiana herinaratra sy iadiana amin'ny tsy fandriampahalemana izay anisany olana sedrain'ny vahoaka amin'izao fotoana izao. 

𝗧𝗮𝗺𝗮𝘁𝗮𝘃𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗴𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗶𝗮.