Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ary natrehin'ireo mpikambana fito eo anivon'ny Governemanta sy ireo tomponandraikitra eto Toamasina.
Fivoriana mahakasika ny fampandrosoana sy ny fiainan'ny vahoaka amin'ny ankapobeny toy ny fandriampahalemana, ny vahaolana momba ny famatsiana herinaratra, ny tetikasa Port sec, ny sehatry ny fahasalamana ary ny asa fandrindrana sy fanarenana ary koa ny fampandrosoana ny tanànan'i Toamasina no nodinihina sy nanaovana famelabelarana teto amin'ny PACT androany izay notarihin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ary natrehin'ireo mpikambana fito eo anivon'ny Governemanta sy ireo tomponandraikitra eto Toamasina. Zava-dehibe ho an'ny Toamasina ity fivoriana natao ity mba ahafahan'ireo sehatra tsirairay manarina sy manatanteraka ny asa sy andraikitra tandrify azy ho famerenana amin'ny laoniny ny tanan'i Toamasina.